Hitan’ny fokonolona notarihin’ny alika ny fatin’olona iray tao anatin’ny fokontany Mamoladahy- Amparihy, kaominina Imerintsiatosika, afakomaly tolakandro. Karan-doha sy taolan-dava niampy fofona no nanaitra ny manodidina nahita io zava-nisy io. Nanamarina ny fitafiana sy ny pitsopitsony hita teo amin’ny manodidina ny mponina ka voamarina ny momba io maty io. Tsy hita tapa-bolana lasa ny raim-pianakaviana iray 72 taona. Nanao fampilazana fikarohana tamin’ny alalan’ny Radio tsy miankina ao an-toerana ny fianakaviany. Tsy nahitam-bokany hatrany anefa izany. Herinandro vitsy, hita faty tao amin’ny toerana tsy lavitra fasana nisy kirihitra io olona io. Niroso tamin’ny fitiliana ny razana ny mpitsabo ka natolotra ny fianakaviany taorian’izay.
Tsiferana R.