Tsy maintsy vola ve ?

 

Mahoraka ny honohono sy resabe mahakasika ny kolikoly, manodidina ny fametrahana ireo tomponandraikitra eto amin’ny firenena. Amina miliara, hono? An-jatony tapitrisa, hono? Asa re izay fahamarinany fa fandikan-dalàna iray sarotra hamarinina sy hitadiavana porofo rahateo izany. Endrika fandikan-dalàna saro-pady sy mety hihatra aman’aina ka mahatonga ny loharanom-baovao hihidy vava izany.
“Ny hitsikitsika anefa tsy mandihy foana fa ao raha”, hoy ny fomba fitenin-dRamalagasy. Mila mijery akaiky ny fomba fandraisana ny mpiara-miasa aminy, araka izany, ny “henjana”. Fampandrosoana ho an’ny besinimaro rahateo tsy miaraka amin’ny tsolotra. Miditra amin’ny fotoam-pitondrana, mitaky vokatra azo tsapain-tanana misimisy kokoa anefa ny taninjanaka sy ny mpiray tanindrazana.
Samy mijery ny tandrify azy na ny soa hatao ho an’ny taranaka iombonana,na hamorika ny maro anisa. Efa lo sy simba ilay fiarahamonina fa mainka mbola miampy tro­traka amin’ny hafitsoky ny “tiatia kely”. Mahavariana fa na aiza na aiza, na iza na iza resahana amin’izao dia tsy maintsy ahenoana izay resa-bola sy fampikatsoana antontan-taratasin’olona izany.
Ho aiza ary ity Madagasikarantsika ity rey olona? Aiza no hiafaran’ny vahoaka raha samy hirona any amin’ny fahalovana faobe isika mianakavy. Tratran’ny bemanaiky avokoa angamba? Toa tsy misy mihetsi-bolomaso na dia efa ataon’olona maty hasina faobe aza. Misy ihany ny manam-piniavana hihoatra sy hanohitra ny fomba fanao ratsy, saingy tratry ny be no vitsy dia tsy afa-manao na inona na inona. Mitsoaka an-daharana aza no hatao sao simba tsy amin’ny fotoanany.
Na inona anefa lazaina, rehefa tsy misy ny porofo dia toy ny tsy misy sy tsaho ny feo miely. Na izany aza, tsy tokony ho sakana tsy handraisana andraikitra ny honohono!

Randria

Partager sur: