VAOVAO TAMBATRA

Voafidy ho Sekretera jeneralin’ny vaomieran’ ny ranomasimbe indianina (COI) ny minisitra Raza­findravahy Edgard. Haharitra efa-taona ka hifarana ny taona 2028 ny fe-potoana hiasany. Hiitatra hatramin’ny taona 2029 kosa izany raha ampiharina ny « Accord de Victoria ».

Araka ny fepetran’ny ladoany malagasy, tsy andoavana haba ny zava-pisotro misy alikaola tsy mi­hoatra ny 2 litatra, ny sigara tsy mihoatra ny 200 singa, ny ranomanitra tsy mihoatra ny 100 ml anankiroa. Tsy mihoatra ny 1 000 euros ihany koa ny vidin’ny entana azon’ny mpandeha entina miditra eny amin’ny seranam-piaramanidina.

Mahatratra 39 225,7 taonina ny vato sarobidy voahodina naondran’i Madagasikara tamin’ny taon-dasa. Nampidi-bola 463,575 miliara Ar amin’ny vidiny 11 818,2 Ar isaky ny kilao izany. Nitombo ny fanondranana raha oharina tamin’ny taona 2022 na tamin’ny habetsany na tamin’ny sandany.

Nomen’ny minisitera kojakoja ny mpanjono any Sandravinany Vaingandrano, ny 15 jolay teo. Ahi­tana saro-tava « masque » sy saro-tongotra « palme » miisa 60 avy, ho an’ny fikambanan’ny mpanjono 6 any an-toerana. Napetraka koa ny takelaka mampilaza ny mety ho toetr’andro 4 andro mialoha, raha sendra misy loza (SAP) na « Système d’alerte précoce ».

Partager sur: