Manao fampahatsiahivana ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) momba ireo fitsipika volamena 13 hisorohana ny lozam-pifamoivoizana izay navoakan’ny federasiona iraisam-pirenena momba ny fiara.
Ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra tanteraka isika amin’izao fotoana. Maro ireo olona izay handeha hiala sasatra hivoaka ny tanàna izay tsy mahazatra azy.
Hamafisina ny fahamailoana rehetra sy ny fitandremana ary ny fandraisana ny fepetra fiarovana. Ho an’ny mpitondra fiara, tokony hipetaka avokoa ny hetra (ceinture de sécurité) ho an’ireo olona anaty fiara. Hajaina ny hafainganam-pandeha eny an-dalana. Tsy tokony hampiasa finday ireo mpamily mandritra ny dia. Mila maka aina ny mpamily rehefa vizana.
Tsy tokony hitondra fiara rehefa nisotro zava-mahamamo. Mila arahi-maso ny kodiarana vao mandeha lavitra. Hajaina ny marika amin’ny tsangam-by sy ny eny an’arabe ho an’ny mpampiasa lalana rehetra.
Ho an’ireo mpampiasa kodiarandroa, ilaina ny manao aroloha sy ny fiarovana mifandraika amin’izany. Hajaina ny hafainganam-pandeha amin’ny antonony.
Ireo mpandeha an-tongotra, tsara ny manao akanjo mazava alina raha mandeha alina eny an’arabe. Mijery ankavia sy havanana manamarina ny tsy fisian’ny fiara vao miampita. Eny amin’ireo toerana natokana hiampitana no miampita.
Fanampin’ireo ny tokony hitandremana tsara ny ankizy eny an’arabe ka avy any amin’ny sisiny hatrany no hitantanana azy ireny.
Tatiana A