Barea de Madagascar: mpilalao 9 tsy manana klioba

Efa saika tapitra avokoa ny fifanarahan’ireo mpilalaon’ny Barea amin’ny klioba nisy azy any Eoropa any, amin’izao fotoana izao. Ny ankamaroany, tsy nanaiky ny hanavaozana ny hitohizany tao amin’ireo ekipany teo aloha ny tomponandraikitra. Fantatra àry fa miisa 9 ireo tsy mbola manana klioba hilalaovana ankehitriny.
Anisan’ireny i Sonny Laiton, mpiandry tsatoby tompon-toerana ao amin’ny Barea de Madagascar. Eo koa i Clément Couturier, irakiraka andrin’ny ekipam-pirenena malagasy. Toraka izany Ilahimaharitra Marco izay tsy hita tao anaty lisitry ny Barea farany teo. Eo koa i El Hadary, niala tatsy Seychelles ary eto an-tanindrazana efa fotoana naharitra izay. Mbola manana olana toa azy ireo koa i Dorian Bertrand sy i Adrien Trebel ary i Sylvio Ouassiero. Mbola eo am-pitadiavana izay ekipa hilalaovany amin’ny taom-pilalaovana manaraka ireo mpiandry tsatoby mirahalahy, Randriamamy Mathyas sy i Teva Gardies. Malalaka ary tsy misy mamatotra azy izany ireo Malagasy mpilalao ireo, hatreto.

Tompondaka

Partager sur: