Drafitrasa stratejika 2018- 2027: nanamafy ny fanatanterahana izany ny fitondram-panjakana

Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny tetikasa fanavaozana ny sata sivily sy ny fiarovana ireo angon-drafitra manokan’ny olom-pirenena tsirairay avy. Nisy ny atrikasa hoentina manatanteraka izany.

Tontosa, omaly, teny amin’ ny Hotel Colbert Antani­narenina, ny atrikasa nokarakarain’ny Programme de reforme pour l’efficacité de l’administration (PREA) sy ny minisiteran’ny Atitany. Izany indrindra no antom-pisian’ny atrikasa ho fanatrarana ny tanjona 16.9 amin’ny tanjona fampandrosoana lovainjafy, ka nanoloran’ny fitondram-panjakana malagasy tena ny hanamora ny fahazoana sata sivily sy ny maha izy ny olom-pirenena tsirairay. Tanjon’ny atrikasa ny fifampizarana hita eo amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, hampitombo ny firindran’ny fanatanterahana ny drafitrasa.
Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny drafitrasa stratejika 2018-2027 ny fanavaozana ny sata sivily sy ny maha izy ny olom-pirenena ity atrikasa ity. Drafitrasa izay mikendry ny hanavao ny sata sivily, ny hanangona izany ary ny hiaro ireo mombamomba ny olom-pirenena tsirairay avy, napetraky ny Organisation internationale de la francophonie (OIF) teto Madagasikara, ny taona 2021. Mizotra amin’ ny antsakany sy andavany ny fanatanterahana izany drafitrasa stratejika izany, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Tsy nihanoka tamin’izany fotsiny anefa izy ireo fa nijery ny fomba rehetra ahafahana mandavorary ny fanatanterahana izany.
Nahafahana nijery ny fandrosoan’ny drafitrasa eo amin’ny sehatra nasionaly ny atrikasa. Tao anatin’izany no namantarana ny fahasarotana iainan’ny olom-pirenena amin’ny fikirakirana sy fikarohana ny maha izy azy eny anivon’ny andrimpanjakana misahana izany. Anisan’ny vokatsoa nentin’ity atrikasa ity ihany koa ny fihatsaran’ny fiara-miasa eo amin’ireo mpiantsehatra amin’ny fanatanterahana ity drafitrasa stratejika 2018- 2027 ity.

Lin

Partager sur: