Fampandrosoana maharitra : vonona hanatratra ny ODD i Madagasikara

Vonona hanatratra ny tanjon’ny fampandrosoana ma­haritra (ODD) ho an’ny taona 2030 i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny Fihaonambe politikan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana maharitra (FPHN 2024), tany New York, ny 8 ka hatramin’ny 17 jolay. Nitarika ny delegasiona malagasy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika sy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, i Max Fontaine. «Fanama­fisana ny fandaharanasa 2030 sy fanafoanana ny fahantrana anatin’ny fotoanan’ny krizy na korontana». Io no lohahevitra nitarihana ny fihaonana. Nodinihina manokana ny momba ny fahatrarana ny fampandrosoana maharitra laharana voalohany (ODD1), dia ny fanafoanana ny fahantrana, ny ODD 2, fanafoanana ny tsy fahampian-tsakafo. Voaresaka ihany koa ny momba ny ODD faha-13, mahakasika ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro ary ny ODD faha-16, miresaka momba ny fandriampahalemana, ny rafi-panjakana tan-dalàna, ary ny andrimpanjakana marin-toerana.
Vonona hanao ny ezaka rehetra azo tsapain-tanana ny fitondram-panjakana hanatrarana ny fandaharanasa 2030, hananganana tontolo mirindra sy maharitra ho an’ny taranaka. Marihina fa 9,4% ny ODD no tratran’i Madagasikara, araka ny tatitra navoakan’ny fampandrosoana ny maha olona 2023-2024. Tsiahivina fa natao ny taona 2015 ny fandaniana ny tanjona miisa 17 ho an’ny fampandrosoana maharitra vinavinain’i Ma­dagasikara ho tratrarina ny taona 2030.

Henintsoa Hani

Partager sur: