Faritra Atsinanana : hapetraka amin’ny sekoly 46 ny tolotra niomerika

Hapetraka eny anivon’ny sekoly rehetra ao anatin’ny faritra Atsinanana ny fikirakirana ny tolotra niomerika iarahan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Unité de gouvernance digitale (UGD).

Tanjon’ny tetikasa ny hanatsara ny kalitaon’ny fanabeazana, amin’ny alalan’ny fikirakirana ny tolotra sy fitaovana niomerika. Ma­nohana ny tetikasa ny Banky iraisam-pirenena, araka ny fanazavana azo. Hitondra tombontsoa ho an’ny mpanabe sy ny mpianatra ny fametrahana ny niomerika satria hisitraka lesona sy fizarana ary antontan-kevitra tsara kalitao marobe hanampy azy ireo amin’ny fianarana izany. Fomba iray mahomby ahafahana manara-maso ihany koa ny fizotry ny asa sy ny antontan-kevitra momba ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ny fitaovana ao an-tsekoly izy ity.
Manomboka izao, azo arahana tsy tapaka ny fahatongavan’ny mpampianatra isan’andro any an-dakilasy. Man­garahara ny fiavian’ny vola miditra sy ny fampiasana rehetra mifandraika amin’izay. Haingana kokoa ny fahazoana antontam-baovao ary ny mombamomba ny mpianatra tsirairay. Zava-dehibe entin’ny niomerika ny fahazoana manome fanofanana ampitain-davitra ho an’ny mpanabe sy ny mpandraharaha noho ny fampiasana ny teknolojia vaovao. Tsy voatery hanaraka fiofanana lavitra miala amin’ny toeram-piasana intsony izy ireo.
Hanamorana ny fametrahana ny fitaovana sy ny tolotra, niofana nandritra ny hateloana, tany Toamasina, ny talen-tsekoly sy tomponandraikitra samihafa voakasika. Anisan’izany ny avy ao amin’ny Cisco Toamasina I sy II, manana Zap (Zone d’administration pédagogique) 18, mia­hy sekoly 46 ho an’ny andiany voalohany, hisantarana ny tetikasa. Hitarina any amin’ny faritra hafa ny fametrahana ny tolotra sy ny fitaovana niomerika amin’ny ho avy. Ireo fitaovana natolotry ny fandaharanasa fanohanana ny fanabeazana fototra (PAEB) no hampiasaina mandritra ny tetikasa.

Vonjy

Partager sur: