Fikarakarana fifidianana: nankasitrahin’ny Pnud ny ezaky ny Ceni

Noraisin’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny alarobia, ny mpandrindra maharitry ny Firenena mikambana (ONU), i Issa Sanogon, omaly. Nanka­si­trahany tamin’izao fihaonana teo amin’ny roa tonta izao ny asa vitan’ity rafitra mpikarakara ny fifidianana ity.
Anisan’ireo fiaraha-miasa lehibe teo amin’ny Ceni sy ny rafitry ny ONU ny tetikasa an­tsoina hoe “RPDEM” iarahana amin’ny Pnud. Tafiditra ao anatin’izany ny fanohanana ara-teknika sy ara-bola ny zotram-pifidianana nanomboka tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, ny taona 2023. Nitohy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo ary izao efa hiomanana amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna izao.
Nifarana ny fe-potoam-piasana sy ny iraka nataon’ity mpandrindra maharitry ny rafitry ny Firenena mikambana ity teto amintsika. Voatendry hiasa any amin’ny firenena hafa indray ny tenany manomboka izao, ka nanaovany veloma ireo lehiben’ny andrimpanjakana na koa ireo rafitra isan’ ambaratongany.

Nirary fahombiazana ho azy ny filohan’ny Ceni, indrindra amin’ireo andraikitra hosahaniny amin’ny hoavy.
Tsiahivina fa efa nanao veloma ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM, ny herinandro teo, i Issa Sanogo ary nidera ny ezaka vitan’ireo raiamandreny eo anivon’ny fiangonana, tamin’ny fikaroham-bahaolana sy ny fanelanelanana nataony.

Synèse R.

Partager sur: