Fiombonana : “Ilaina ny fifandanjam-paritra”

“Rehefa miresaka lehiben’ ny andrimpanjakana, tokony hipetraka hatrany ny fifandanjam-paritra.” Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ ny antoko Fiombonana, Re­tog­niane Durlin. Efatra ny lehiben’ ny andrimpanjakana : ny roa avy eto Antananarivo, ny roa avy any avaratra. Hadino tanteraka ny any atsimo. Raha hanome tsiny ny antoko momba ny nanendrena indray ny Prai­mi­ni­si­tra, ny depiote no tokony hianjeran’izay. Be dia be ny olona mahafeno ny ma­son­tsivana no­lazain’ny filo­han’ny Repoblika hoe tsy ma­intsy olona mahafehy ny dip­laomasia. Ny tsilian-tsofina sy siosion-dresaka, mi­sy anarana olona telo no natolotra ny filohan’ny Repoblika. Ni­tranga talohan’ny fanendrena Prai­mi­ni­sitra ny fifidianana ny filo­han’ny Antenimierampire­ne­na. Ny dikan’izay: mety tao anatin’ny olona natolotry ny depiote ilay anaran’olona avy any atsimo. Misy ny anaram-behivavy nantenain’ny maro ho Prai­minisitra, rehefa tsy azony ny toeran’ny filohan’ny Ante­ni­mi­erampirenena. Nandeha be izay resaka izay.

R. Nd.

Partager sur: