“Generation 2000’s”: samy naneho fihetseham-po ireo mpanakanto

Tafahaona ary hiaraka an-tsehatra indray. Samy naneho ny fihetseham-pony, noho izay taona maro tsy nihaonana izay, ireo mpanakanto handray anjara amin’ny “Generation 2000’s” amin’ity.

“Tsy hisy hira vaovao mihitsy fa ireo hira nanamarika tamin’
izany andro izany ihany no haverina eo”. Sady fampanantenana io no fanamafisana ny lalantsain’ny hetsika “Gene­ration 2000’s”, nataon-dRa­tsimandresy Sylvanno, avy ao amin’ny SR Pro, omaly. Tafa­vory ary nihaona tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny foiben’ny Telma Andraharo ireo mpanakanto nantsoina manokana hanatontosa ity andiany faharoa izay hatao ny alahady 28 jolay, eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahama­sina ity.
Tsapa teny amin’ireo mpanakanto ny hafaliana sy ny fihetseham-po maro isan-karazany, nihaona indray ary mbola ho tafaraka an-tsehatra. “Tao anatin’izany taona 2000 izany mihitsy no niroboroboanay tarika ‘Zay. Mety hoe fahiny, fa efa manana traikefa kosa. Nahitana manan-talenta maro niara-nipoitra teo. Efa ela izahay ireo no niara-niasa ary faly fa mbola ho tafaraka”, hoy i Malala ‘Zay. “Faly. Tsy manampaharoa satria izay vao hiaraka toa izao. Izahay manokana amin’ io vao hiseho, na dia efa nisy nomanina ihany aza. Saika hoe any Paris izahay no ha­namarika ny fiverenan’ny Unik, kanjo nisy an’ity”, hoy kosa i Rina, ao amin’ny tarika Unik. Ho vory avokoa mantsy ry zalahy ireto amin’io fotoana io.
“Izaho manokana tena misy fihetseham-po tsy haiko lazaina amin’izao fiverenana izao. 17 taona aho no tsy niaka-tsehatra intsony, fa ny hira kosa nipetraka hatrany ary misy tantara nentiny”, hoy kosa i Joy K, izay tonga an-tanindrazana manokana noho io seho io. “24 taona izao no niaka-tsehatra Raboussa, izany hoe, nanomboka ny taona 2000 mihitsy. Ny mozika mitantara ny fiainana nolalovana no iaraha-mamerina”, hoy kosa i Niry Raboussa.
“Fanindroany ho ahy ny fandraisako anjara amin’ny hetsika. Ny hira nipetraka matoa mbola tonga amin’izao fiarahana izao”, hoy kosa i Tovo J’Hay. Nahafaly manokana ny mpankafy ihany koa ny fiverenany an-tsehatra, taorian’ny nahalalana ny loza izay nahazo azy.
“Seho feno, arahin’ny mpitendry tsirairay avy ny azy ireo. Haharitra 45 minitra avy eo izany. Hanampy an’ireo i Titi sy i Spy Dee, izay hanana 20 mn avy”, hoy hatrany ny fanazavan’ny mpikarakara.

Zo ny Aina

Partager sur: