Hita faty tao anaty kirihitra : lehilahy voafira antsy teo amin’ny lohany

Nihosin-dra teo amin’ny lohany ny lehilahy 32 taona, hita faty nisy namono tao amin’ny distrikan’i Manandriana, omaly atoandro. Karohina ireo nahavanon-doza

Voafira antsy teo amin’ny lohany sy ny tongony havia, hita faty tao anaty kirihitra ny lehilahy iray 32 taona, tao amin’ny tanànan’i Malaho-Andrainony, kaominina Ambohipo, distrika Manan­driana, faritra Amoron’i Mania, omaly atoandro. Mpandalo no nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa tao anaty kirihitra anatin’io fokontany io. Na­natona hijery ny zava-misy, hatairana ny azy nahita olona nihosin-dra efa tsy nisy aina intsony. Niantso ny fokonolona sy nampandre ny tomponandraikitra miasa eo anivon’ny fokontany io nanatri-maso io. Nidina ifotony nanao ny famotorana momba ny zava-misy ny zandary. Nanao fitiliana io lehilahy hifa faty io ny mpitsabo avy eo anivon’ny CSBII Talata Vohimena. Voamarina tamin’ny alalan’ny fizahana fa niniana nofiraina tamin’ny zava-maranitra ny lohan’io olona io. Tsy vitan’izay, nodidiana koa ny tongony havia. Notaperina ny ainy ary nariana tao anaty kirihitra.
Miseholany…
Miseholany ny trangana vonoan’olona tato ho ato. Roa andro taorian’ny nahitana lohan’olona iray nifono tao anaty solefanina, manamorona ny RN7, tao Ambohi­ponana, kaominina Ambosi­tra, lehilahy iray hafa indray hita faty tany amin’ny kaominina Ambohipo. Novonoina avokoa izy roa lahy ireo izay samy anatin’ny faritra Amoron’ i Mania, araka ny tatitra azo avy amin’ny mpitsabo nanao ny fizahana ny razana. Ana­tin’ny fandihadiana tanteraka ny mpitandro filaminana amin’ izao fotoana mikaroka ny tompon’antoka tamin’ireo vo­no olona roa samihafa ireo. An­drasana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: