Ho fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo marary manaraka fitsaboana ao amin’ny HJRA dia nohatevenina ny fitaovana. Nisitraka seza misy kodiarana ny sampandraharaha miandraikitra ny fitsaboana ireo zaza mararin’ny homamiadana ao an-toerana.
Miditra amin’ny herinandro faharoa ny fampiofanana omena ireo mpanentana eny ambony tambajotra sosialy ataon’ny fandaharanasa Impact, izay tanterahin’ny PSI Madagascar. Miompana amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny fahaiza-miaina ary ny fitaizana ho olom-banona no hiofanan’izy ireo.
Nisy fanaovan-tsonia teo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny FAO ho an’ny tetikasa fanamafisana ny fanaraha-maso ny kalitao ara-pahasalaman’ireo sakafo jifaina eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny fitsirihana teknika ireo singa. Dingana lehibe iray ho fiarovana ny fahasalaman’ireo vahoaka ny tetikasa satria fototra iray iankinan’izany ny sakafo, ary manana andraikitra lehibe ny minisitera.
Manomana fihaonana lehibe ho an’ny mpanao gazety aty Afrika ny Holafitry ny mpanao gazety malagasy, amin’ity taona ity. Heverina hotanterahina eto Madagasikara, amin’ny telo volana farany amin’ny taona, ny hetsika. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fifampizarana mandritra ny fivoriana ny toeran’ny tekolojia vaovao amin’ny serasera sy ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.