Notanterahina afakomaly, tetsy Anosy, ny fanolorana ny tatitra nataon’ireo iraka mpanara-maso ny tetikasa eo amin’ny sehatry ny tanàn-dehibe. Iarahana amin’ny mpamatsy vola amin’ny alalan’ny Agence française de développement -AFD ny asa.
Natolotra sy nampahafantarina ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, izany. Efa nanomboka ny 8 hatramin’ny 16 jolay teo ny fidinana ifotony nataon’ireo iraka manam-pahazaina avy amin’ity sampandraharaha frantsay ho an’ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana ity. Nojerena, tamin’izany, ireo tetikasa vatsian’izy ireo vola, toy ny Lalankely III/IV, ny Padeve sy ny fikarakarana ny Padeve II ary ny Cat DDO na koa ny Padarne.
Anisan’ny tetikasa mikendry ny fanatsarana ny tontolo iainan’ny mponina eto Antananarivo sy ny manodidina ny Lalankely. Manamora ny fivezivezena anaty tanàna na koa mampitohy vohitra sy fokontany. Eo koa ireo tetezana hiampitana na tohatra.
Lalana, tsena, toeram-
piantsonana
Natao hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina eny anivon’ny fokontany, indrindra ireo marefo sy be mponina, ny tetikasa Lalankely ka misitraka izany ireo olona maherin’ny iray tapitrisa.
Ankoatra izany, tetikasa vatsian’ny AFD vola koa ny Padeve ary efa hirosoana ny andiany faharoa izao. Misitraka izany ireo tanàn-dehibe toa an’ Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Antsirabe, Fianarantsoa ary i Toliara. Anisan’ny tetikasa amin’ireo tanàn-dehibe ireo ny fanamboarana tsena, fanamboarana lalana, fanatsarana ireo sehatra maitso iombonana. Eo koa ny fampitaovana samihafa ilaina an-tanàn-dehibe sy ny toeram-piantsonan’ny fiara vaventy.
Fanajariana sy fampandrosoana
Ny tetikasa “Projet d’aménagement et de développement des abords de la rocade Nord Est – Padarne” kosa, natao ho fanajariana sy fampandrosoana ireo faritra manamorona ny lalambe “Rocade-n’Iarivo”, iraisan’ny kaominina telo: Antananarivo Renivohitra, Ambohimangakely ary Ankadikely Ilafy. Mifandraika amin’ny fanamboarana ny Rocade-n’Iarivo ireo.
Tanjon’ny tetikasa ny hifehezana ny fampiasana ny tany hatao laharam-pahamehana. Fametrahana ho an’ny mpisitraka, ho an’ny daholobe na ny tsy miankina, ny tany natokana ho an’ny trano. Eo koa ny hetsika ara-toekarena sy sosialy ary kolontsaina na fialamboly.
Synèse R.