Nivahiny tao amin’ny fahitalavitra Global Africa Télé Sud ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, ny alatsinainy teo. Nambarany fa efa mihatra eto amin’ny firenena ny fahapotehana amin’ny lafiny rehetra. Nohitsiny ho anton’izany ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra. Tsy demokratika intsony koa i Madagasikara, araka ny nambarany. Nanteriny fa natao hihazonana fahefana fotsiny ihany ireny fifidianana natao ireny fa tsy ahitana taratra intsony ny demokrasia. Niantsoany ireo mpiara-miombona antoka koa izany mba handraisan’izy ireo andraikitra, manoloana izao manjo ny firenena izao.
Etsy andaniny, nanteriny hatrany fa hijanona amin’ny fanoherana ny tenany sy ny antoko MMM tarihiny. Anisan’ izany ny fandraisana anjaran’ izy ireo amin’ny fifidianana eny anivon’ny kaominina. Eo koa ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy, anisan’ny fototra ijoroan’ny antoko MMM.
Synèse R.