Milamindamin-dratsy ny tanàna. Mangingina ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Tsy handrenesam-peo firy ny harom-paosy sy ny fanendahana izay nampitondra faisana tanatin’ny fotoana naharitra. Somary mihena ny vaovao mahakasika ny halatra any ambanivohitra. Nihena ihany koa ny ranty momba ny fanolanana izay saika isan’andro teny amin’ny tambajotran-tserasera.
Miasa amin’ny ankapobeny ny mpitandro filaminana. Manao ny ainy tsy ho zavatra, indrindra ireo any amin’ny tany lavitra andriana. Betsaka ny fanamby atrehina sy ny sedra mila dinganina. Ankoatra ny jiolahy mitam-basy. Manginy fotsiny ny tsy fahampiana arakolona sy ny fitaovana. Resin’ny olon-dratsy lavitra na basy na bala. Mihatra aman’aina ny zava-drehetra.
Mandry an-driran’antsy lavitra noho ny vahoaka ny zandary sy ny Tafika any ambanivolo. Ny adidy ho an’ny tanindrazana lolohavina, ny an’ny vahoaka sakelehina, ary ny ankohonana tsy maintsy babena.
Hisy ny fanamboarana ny governemanta, hiova sata hiova andriana. Tsy ampy ny fanovana olona fa mifanindran-dalana amin’izay ny fampitaovana. Mila fitsinjovana manokana ihany koa ireo manao vy very ny ainy. Tsy tokony hiandrasana antony manokana vao misy ny fizarana tombontsoa. Mila fijerena maharitra ny maha olombelona ny mpitandro filaminana ireo.
Iaraha-miaina rahateo ny asa ambony ampanga sahanin’izy ireo. Tsy tokony ho tsinontsinoavina sy atao latsa-danja na amponga miantona ka dobohana raha mahatsiarotsiaro. Olombelona misy filana koa izy ireny, tokony ho loha lisitra amin’ny zava-drehetra.
r.r