SOMBIM-BAOVAO

Niteraka fimenomenonana teo amin’ireo ekipa vahiny ny tsy fahatongavan’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny handball nanatrika ny fiadiana ny CCCOI, natao tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, ny 9 ka hatramin’ny 16 jolay lasa teo. Rehefa nanontaniana ny tomponandraikitra, ny tsy fahasalamany no antony tsy nanatrehany izany.

Hitohy amin’ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena sokajy vehivavy, D1, taranja rugby. Hifanandrina amin’izany ny ASUT sy ny FTFA Antohomadinika ary ny 3FB Fahasalamana sy ny RCTS Soavimasoandro.

Anisan’ireo ekipa hiatrika ny «Tournoi estival», eo amin’ny taranja tsipy kanetibe hatao any Frantsa, ny tompon’ny amboaran’i Madagasikara dia ny UBM Ambohitrimanjaka misy an’i Hery Morondava sy i Faly Donald ary i Yves. Ny talata lasa teo ry zalahy no nanainga.

Hatao eny Ambohidava, ny sabotsy 27 sy ny alahady 28 jolay ho avy izao, ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny «Course de côte» sy ny Slalom. Fihaonana karakarain’ny klioba TACS.

Partager sur: