Star – Kaonsilin’i Monaco : notolorana fitafy mafana ny zokiolona marefo

Mitohy ny asa sosialy amin’ny maha orinasa tomponandraikitra (RSE) ataon’ny Star. Anisan’ izany ny fitsinjovana ny zokiolona sy ny ankizy any amin’ny tokantrano sahirana. Nosa­fidiana manokana ny zokiolona marefo ho an’ity taona ity, niarahana tamin’ny Kaon­silan’i Monaco. Miisa 100 ny zokiolona any amin’ny fokontany 10, eto Antananarivo, notolorana lamba firakotra mafana na bodofotsy, hitsinjovana izao vanim-potoana mangatsiaka izao. Nosan­tarina, omaly, ny teny Anka­zomanga Tsaramasay, 3G Hangar, Antohomadinika. Hi­tohy anio 18 hatramin’ny 24 jolay ny fizarana eny Ifarihy Tanjombato, Ambohibahiny Tanjombato, Iavoloha, Loha­nosy, Analamahitsy, Alarobia Amboniloha,Vakinampasika ary Manankasina Ambo­himanga.
Nilaza ny talen’ny Fanda­haranasa ao amin’ny Kaon­silin’i Monaco, Ramamonjisoa Adèle, fa «ezahina ovaina isan-taona ny fokontany hanaovana ny fizarana, mba hisitrahan’ny tokantrano samihafa sahirana».
Mamatsy vola ny fividianana ny bodofotsy miampy zava-pisotro mamy ny orinasa Star, ary miandraikitra ny fizarana ny Kaonsilin’i Monaco sy ny fokontany voakasika.

Njaka A.

Partager sur: