Telofangady etsy amin’ny NO Comment Bar. Taorian’ny fahombiazan’ilay seho tetsy amin’ny Ivokolo Analakely farany teo, manome fotoana ireo mpankafy etsy Isoraka indray ry Rahaja sy ny tariny anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany. Hifanakaiky kokoa ary hofantenana mba ireo hira tena andrasan’ireo mpankafy ao no hatao mandritra izany.
“Ny tantaran’ny SN teto Madagasikara”. Hotanterahina ao amin’ny Trano Sary etsy Ambohidahy, ny 29 jolay ka hatramin’ny 3 aogositra izao ny fampirantiana miavaka hamerenana sy hampahatsiahivana fa nisy ny SN na ny SNHFAP, izay Fanompoam-pirenena ivelan’ny tafika, tany ambadiky ny 30 taona mahery.
“Vetsom-bavaka an-kira”, hiarahana amin’ny tarika Vetsonkira. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ity tarika mivetso ny hiram-pivavahana ity ny fanatontosana fampisehoana “Mamela heloka”, eny amin’ny Ekar Saint Michel Itaosy, ny alahady 28 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Mialoha izay, hisy ny fanokafana sy fanafanana ny sehatra iarahana amin’
ireo mpanakanto sy mpanan-talenta eny an-toerana.
Tanterahina ny 19 sy 20 jolay 2024, eny amin’ny Cinepax Ambodivona, ny «Festival du Film Coréen 2024». Hetsika natao hanandratana sy hanomezana sehatra ireo horonantsary Koreanina. Anisan’ny ho hita mandritra izany ny «The face Reader», «Little forest», «The Outlaws”, “The time traveler luke”… Maimaimpoana ary misokatra ho an’ny rehetra ny hetsika saingy voafetra ny toerana.