Maherin’ny 1 miliara euros ny totalin’ny fifanakalozam-barotra eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa, nandritra ny taona 2023. Mitana ny laharana faharoa amin’ny fanjifana ny entana vita malagasy ny firenena frantsay ary laharana fahenina amin’ny famatsiana an’i Madagasikara. Manodidina ny 20% kosa ny famatsiam-bola ataony eto amin’ny Nosy.
Mitana ny laharana faha-10 amin’ireo firenena mahasarika mpizahatany aty Afrika i Madagasikara, araka ny tatitra navoakan’ny «Country Brand Ranking ©» de Bloom Consulting. Nisongona ny Nosy malagasy i Ethiopie izay sambany tafiditra tao anatin’ny «top 10». Na izany, mbola ao afarantsika kosa i Rwanda sy Botswana.
Vita tanteraka ny fanarenana ny simba amin’ny tetezana any Ivato Ambositra, PK 273+800. Voakasik’izany ny takelaby itsahin’ny fiara mandrafitra ny tetezana. Nosoloina ny «platelage Arnondin» natao «tablier», nohamafisina ny «patin de fixation», noterena ny bilao, natao «soudure» ny sisiny ho an’ny mpandeha an-tongotra, sns.
Ampiasaina amin’ny lafin’ny tontolo iainana ny teknolojia niomerika. Voakasik’izany ny fikirakirana ny antontam-baovao entina hanaraha-maso ny ala, ny fitantanana maharitra ny rano, ny fandrindrana ny firafitry ny tanàna sy ny endriky ny tontolo iainana, sns. Manamora ny fandraisana fanapahan-kevitra ara-potoana ny fampiasana izany fomba fiasa izany.