Tanterahina ny 19 hatramin’ny 24 aogositra 2024, ao amin’ny Palais du Peuple Kinshasa, RD Congo, ny « Festival du Cinéma Feminin » (Cinef), andiany fahavalo. Hetsika natao hanandratana ny horonantsary vokarina vehivavy sy ny mpanatontosa vehivavy izy ity. Fifaninanana, atrikasa, velakevitra ary fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao, eo amin’ireo mpandray anjara amin’ny hetsika no handravaka izany Cinef izany. Anisan’ny mandray anjara amin’ny fifaninanana ao anatin’izany i Felana Rajaonarivelo, Vehivavy malagasy mpanatontosa, amin’ ny alalan’ilay horonantsary fanadihadiana « Debout », notontosainy.
Horonantsary miisa 22, mizara amina sokajy efatra, no mifaninana mandritra ny Cinef andiany fahavalo. Dimy horonatsary lava, fito horonantsary fohy, enina horonantsary fanadihadiana, ary efatra horonantsary miaina. Vehivavy avokoa no namokatra sy nanatontosa ireo horonantsary mandray anjara ireo, izay anisan’ny mampiavaka ity hetsika lehibe ity. Lohahevitr’ity andiany ity ny hoe “L’Héroïne dans l’ombre”. Midika ho fanandratana ireo manana ny maha izy azy nefa takona.
Lin