Manodim-bola hatrany amin’ny 150 tapitrisa dolara isan-taona ny famarinana olona. Tanjona ny hamerenana indray ireo lasibatra eny anivon’ny fiarahamonina.
Tafakatra 150 tapitrisa dolara isan-taona ny vola mihodina eo amin’ ny famarinana olona, araka ny tatitra navoakan’ny Unesco USA. Lasibatra ny vehivavy sy ny tovovavy. « Voasokajy ho trangana famarinana olona ny herisetra ara-batana sy ara-nofo mahazo ny olombelona iray. Atao fitadiavam-bola izy io amin’ny alalan’ny fanararaotana ara-nofo », hoy ny sekretera mpanatanteraky ny Biraom-pirenena misahana ny ady amin’ny famarinan’olombelona (BNLTEH), Ramahandrisoa Eric. Mahatratra 90 000 isan-taona ny sarimihetsika mamoafady mivoaka eto Madagasikara isan-taona.
Ankehitriny, tafapetraka ny lalàna sy ny rijan-teny mahakasika ny politikam-pirenena hiadiana amin’ny famarinana olona izay novolavolain’ny BNLTEH. Melohin’ny lalàna 2-5 taona an-tranomaizina sy lamandy 1-10 tapitrisa Ar ny famarinana olona ho an’ny lehibe, raha sazy 5-10 taona arahina lamandy 2-20 tapitrisa Ar ho an’ny famarinana olona atao amin’ny ankizy. Miara-miasa amin’ny BNLTEH ireo minisitera samihafa sy ny Women Lead Movement Madagascar (WLM) amin’ny alalan’ny tetikasa “Elatra” hamerenana ireo lasibatra eny anivon’ny fiarahamonina sy hanarenana indray ny fiainany. « Misy ny fiofanana omena ireo vehivavy lasibatry ny famarinan’olona mba hahatoky tena sy hahazoany asa mendrika sady manaja ny zon’olombelona », hoy ny talen’ ny WLM, Rasamimanana Riambelo Onjaniaina.
Atontanisa
Tsy voafaritra ny trangana famarinan’olona noho izy afenina. Miafina ihany koa ny olona lasibatr’izany, hoy ny fanazavana voaray. Ho an’i Madagasikara, ahitana ity tranga ity ny faritra avaratry ny Nosy, Amoron’i Mania ary ny manodidina ny Renivohitra. Tao anatin’ny fanadihadiana nataony ny taona 2018, nilaza ny WLM fa lasibatry ny herisetra ara-batana ny 32% ny vehivavy malagasy eo anelanelan’ny 15-49 taona. 14% niharan’ny herisetra ara-nofo ary 38% lasibatr’ireo herisetra roa voalaza etsy ambony.
Henintsoa Hani