Tanterahina anio sy rahampitso, eny amin’ny Cinepax Ambodivona, ny fankalazana ny « Festival du Film Coréen 2024 ». Ny masoivohon’ny Korea no mikarakara ny hetsika amin’izao iray volan’ny zavakanto sy kolontsaina koreanina izao. Tanjona ny hampivelarana ny zavakanto koreanina, indrindra ny horonantsary. Mandritra ny roa andron’ny fankalazana, horonantsary koreanina samihafa, natao ho an’ny sokajin-taona rehetra, no handravaka ny hetsika.
Anisan’ny ho hita eny an-toerana ny “Wonderful Nightmare”, “Time Traveler Luke”, “The Face Reader”, “Little Forest”, “The Outlaws”. Samy manana ny anjarany avy ny sokajin-taona rehetra amin’ ireo horonantsary ireo. Misy ny natokana ho an’ny ankizy ary misy koa ny ho an’ny tanora sy ny olon-dehibe. Anisan’ny sivana nifantenana azy ireo ny kalitao sy ny fotokevitra ifotoran’ny tantara. Ao ny kalitao teknika sy ny fanasongadinana ny maha izy ny koreanina, indrindra ny kolontsaina.
Anisan’ny kolontsaina sy zavakanto vahiny efa manana ny toerany eto Madagasikara ny kolontsaina koreanina. Raha ny eo amin’ny tontolon’ny horonantsary manokana, efa maro mpankafy ny “Drama” indrindra ny “Drama Coréen”. Ankoatra izay, efa tena mahazo laka ihany koa ny fomba fitafy sy ny taovolo, indrindra ho an’ ny tanora eto an-drenivohitra.
Lin