Tarika vahiny roa farafahakeliny no handray anjara amin’ny “Festival Sômaroho” any Nosy Be, amin’ity. Ry Jungeli sy ry Lucky Dube Group no nantsoin’i Wawa amin’ity, hanampy ireo tarika malagasy kalaza.
«Tsy maintsy misy mpanakanto vahiny mandray anjara amin’ny Sômaroho. Efa nahazatra sy napetraka hatramin’izay koa ny fifanakalozana ara-javakanto amin’ireo vahiny», hoy ny nambaran’i Perkin, tomponandraikitra ao amin’ny Wawa Production, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Telma Andraharo. Araka izany, vahiny andrasana amin’ity ry Lucky Dube sy Jungeli. Na tsy eo
intsony aza mantsy i Lucky Dube, mbola manohy ny mozika ireo niara-dia tamin’ity mpanakanto afrikanina tatsimo nalaza tamin’ny reggae ity. Tsy lefy laza ireo hira, ka heverina fa ankafizin’ny mponin’i Nosy Be hatrany.
Mpanakanto kongoley monina any Frantsa kosa i Jungeli. Anisan’ireo malaza amin’ny mozika mihetsika amin’izao fotoana izy, ary misesy ny fitetezam-pirenena hataony. Toy ireo mpanakanto maro mifanerasera amin’i Wawa, nasainy hizara ny mozikany amin’ireo mponina sy mpivahiny ao Nosy Be mandritra ny “Festival Sômaroho” ity mpanakanto ity.
Tsy ny mpanakanto vahiny ihany, fa andrasana indrindra koa ireo Malagasy mpanakanto kalaza amin’izao fotoana. Hifandimby an-tsehatra mandritra ny 4 alina ry Basta Lion, Viavy Chila, Tence Mena, Fandrama, Sisca, Ngiah Tax, Amiral Killer, Ceasar, sns. Toy ny mahazatra, i Wawa hatrany no mamarana ny fotoana.
“Olona any amin’ny 150 000 any ho any no andrasana ho vory mandritra ny “Festival Sômaroho”, ny 7 hatramin’ny 11 aogositra izao. Misy amin’ireo ny vahiny mpizahatany, misy ny Malagasy avy amin’ny faritra maro, manampy ireo zanatany ao Nosy Be. Sady manampy amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany any an-toerana ny hetsika, satria feno avokoa ny trano fandraisam-bahiny, tsy maharaka ny taksiborosy ary mampidi-bola avokoa ny seha-pihariana rehetra rehefa toy izao”, hoy hatrany ny fanazavan’ny mpikarakara, omaly.
Zo ny Aina