Fianarana zavakanto: mila voatsihary ny ray aman-dreny

Rehefa tsy mahavita ny mandefa ny zanany hiala sasatra… Nitodika any famohazana talenta sy fanitaran-tsaina amina endrika fialamboly ny ray aman-dreny. Maro ny mitady mpampianatra hanome fahalalana ny zanany. Mipoitra hatrany anefa ny olana…

«Iray volana sy tapany eo ho eo ihany no afaka mianatra ny zanakay. Mety mahay mitendry « … » ao anatin’io fotoana io ve izy » ? « Mety ho haiko mandritra ity vankansy ity ve ny milalao ity… » ? « Ilay talenta’ny zanako aloha, efa misy fa ny fampivelarana azy ve mety ho vitanareo mandritra ity vakansy lehibe ity »?… Fanontaniana tahaka izany no miverimberina rehefa manontany ireo mpampianatra zava­kanto, ny ray aman-dreny. Tratran’io avokoa rehefa zavakanto, tahaka ny fampianarana mozika, sary hosodoko, dihy, hira, kabary, sns. Na tsy ahitan-teny firy manoloana ny fanonta­nian’ny ray aman-dreniny aza ny zaza na ny ankizy hianatra, tazana eny amin’ny endriny ihany koa fa : « manontany tena » ry zareo. « Ho vitako ve ny hahay « … » ao anatin’ny 45 andro » ? Na, sarotra (ho an’izay maka sarotra) aza ny mamaritra ny antsoina hoe: « mahay », tsy mpanao fahagagana ny mpampianatra zavakanto. Miankina amin-java-maro sy goa­vana rahateo ny fampitam-pahalalana fa tsy tsotra sy maivana araka ny eritreretin’ny ray aman-dreny sasany. Ny ankamaroan’ izy ireo, mihevitra hatrany fa tsotra ny zavakanto, noho izany, tsotra manaraka izany koa ny momba azy manontolo (mora ianarana, mora sanda…)…

Nanjary lasa filam-boatsihary

Na tsy mivantana aza, tahaka ny manery an-kolaka ny mpampianatra hanatanteraka ny hetahetany ao anatin’ny fotoana fohy ny ray aman-dreny. Mila voatsihary !… Satria, tsy miankina amin’ny mpampianatra irery ny mety hampahay na tsia ny zaza na ankizy iray. Mifameno ny telo tonta: ray aman-dreny, mpampianatra ary indrindra ny mpianatra. Misy amin’ ny ray aman-dreny sasany aza tsy manontany na mahadinika akory ny zavakanto mahaliana ny zanany fa maka tahaka be fahatany ny ataon’ny hafa, dia roboka ihany koa.
… Tsara ny mampianatra zavakanto sy kolontsaina ny zanaka. Fa, ratsy ny fananana fotom-pisainana mila voatsi­hary sy tsy manome lanja ny zavakanto sy ny kolontsaina. Tsara ny finiavana hitovy amin’ny hafa. Fa ratsy ny maka tahaka be fahatany ka tsy mahalala fa tsy adidin’ny mpampianatra irery ny mety hampahay na tsia ny mpianatra!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: