Nivoaka omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Fifa, ny filaharan’ireo firenena rehetra, amin’ny taranja baolina kitra. Nilatsaka laharana iray, faha-105 i Madagasikara, raha toa ka faha-104 ny Malagasy teo aloha. Ny fifanintsanana eoropeanina “Euro 2024” sy ny amerikanina “Copa 2024”, no nanova ity filaharana ity. I Mozambika no mandimby ny toeran’ny Malagasy.
Ankoatra izay, maro ireo fifanintsanana iraisam-pirenena hatrehan’ny ekipam-pirenena malagasy Barea de Madagascar. Anisan’ny akaiky indrindra amin’izany, ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny «Can 2025». Tsiahivina fa miray vondrona “A” amin’ i Madagasikara, i Comores sy i Tunisie ary i Gambie. Efa nifanandrina tamin’ny Barea avokoa i Comores sy i Tunisie raha toa ka tsy mbola nihaona tamin’i Madagasikara ry zareo Gambianina. Ny kaomorianina mpilalao, tsy mbola nandresy ny Barea mihitsy raha toa ka i Tunisie no nanintsana ny Malagasy, 3 no ho 0, nandritra ny ampahefa-dalan’ny Can Egypte 2019. Niatrika ny Can farany teo, izay natao tany Côte d’Ivoire kosa i Gambie.
Hotontosaina eo anelanelan’ny 2 hatramin’ny 10 septambra eo ny fifanandrinan’ny Barea de Madagascar amin’i Tunisie sy i Comores.
Fitia Randria