Filohan’ny Antenimierampirenena : “Nisy ny dingana natao momba ny zom-pirenena”

Nandray vahiny maromaro ny filohan’ny Antenimieram­pirenena, i Tokely Justin, oma­­ly, teny Tsimbazaza. Anisan’izany ireo eo anivon’ny kaomisaria ambony eo anivon’ny Firenena mikambana misahana ny mpifindra monina.
Nitsidika ny filoha vaovao eo anivon’ny Antenimieram­pirenena, i Tokely Justin, ireo mpikambana ao amin’ny “Haut Commissariat des Nations-Unies pour les Réfu­giés – HCR”. Delegasio­nina avy atsy Afrika Atsimo izy ireo ary tarihin’ny tale lefitra aty Afrika tapany atsimo, i Angèle Djo­hossou. Voaresaka tamin’izany ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta sy ny momba ny olan’ny tsy fananana sata na ny “Apatridie”, sy ny dingana efa natao hananana ny fizakana ny zom-pirenena “Code de nationalité” vaovao. Eo koa ny politikam-pirenena hamongorana izany tsy fananana sata izany.
Hisy rahateo ny fivoriambe any Genève, ny oktobra ho avy izao, handinihina ny tsy fananana sata. Nanome toky ny filohan’ny Antenimieram­pi­renena fa hanao ny ezaka hijerena akaiky ny olan’ny tsy fananana sata eto amintsika io, mialoha izany fivoriana izany.
Etsy andaniny, nitsidika ny filohan’ny Antenimierampi­renena koa ny tale jeneralin’ny “Alliance française d’Anta­nanarivo”, i Pierre-Alexandre Kubler. Niarahaba sy nirary soa ny filoha vaovao eo anivon’ity andrimpanjakana ity. Nanaovana jery todika koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.

Synèse R.

Partager sur: