Nanatanteraka fivoriambe tetsy Anosy ny fikambanam-pirenen’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara (ANTM), omaly. Fivoriana isan-taona, nandraisan’ny fikambanana 17 manerana ny faritra 24, eto amin’ny Nosy, anjara. Maro ny olona misandoka sy manao doka varotra ary manaratsy ny fitsaboana nentim-paharazana eto amin’ ny Nosy. Anisan’ny nangatahin’izy ireo amin’ny fanjakana ny hampidirana azy ireny ao anatin’ny heloka ana habaka. Ampiharina amin’ireo tratra manao heloka avy hatrany ny sazy sahaza azy. “Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana doka varotra sy ny fanambarana mandainga ary ny fanaratsiana amin’ny endriny rehetra ny fitsaboana nentim-paharazana”, hoy ny filohan’ny ANTM, Rasamivelona Josephin, nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety teny an-toerana. Nohamafisiny fa zava-doza ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny fanaovana izany amin’ny alalan’ny fisandohana sy fakana volan’olona marary sy efa sahirana. “Manome endrika ratsy ny zava-masina ihany koa izany, satria mitovy amin’ny fitsaboana moderina ihany koa ny nentim-paharazana”, hoy hatrany izy. Nambarany fa taranja efa fanomezam-pahasoavana, ara-tsoatoavina sy ara-kolontsaina ny fitsaboana nentim-paharazana. Tanjona ny handrindrana ny lalàna misy eto amin’ny tanin’ ny Repoblika mba hahazahoana ny tombontsoam-piarahamonina sy hiarovana ny lafiny ratsy ary hanatsarana ny lafiny tsara. “Ampifamenoana ny fitsaboana nentim-paharazana sy ny fitsaboana moderina”, hoy hatrany izy.
Mino