Fotoanan’ny ririnina : ireo toromarika ara-pahasalamana hiatrehana ny hatsiaka

Fotoana mampirongatra ny karazan’aretina ny ririnina. Maro ireo torohevitra ho fiarovan-tena hiatrehana izany sy hananana hery fiarovana matanjaka.

Manoloana ny ririnina mamirifiry, manome torohevitra hiatrehana ny hatsiaka ny CHUJRA ao amin’ny pejiny hananana faha­salamana tomombana.
Fotoana mahabe ny are­tina ny hatsiaka. Mora miparitaka ny gripa sy sery, covid-19 sy ny aretin-tenda, ny aretim-pivalanana…
Azo atao anefa ny misoroka azy ireo amin’ny fampitomboana ny hery fiarovana anaty vatana. Anisan’ny zava-dehibe ny fifantenana ny sakafo hoha­nina. Sakafo mafana ara-paha­­­salamana no tena tsara indrindra. Anisan’izany ny legioma isan-karazany sy voankazo maroloko izay ahitana vita­mina A sy C ary Magnésium.
Ohatra amin’ireo ny voa­tavo, karaoty, tongolomaitso, persil, sesame, ananambo. Toraka izany koa ny papay sy ny karazam-boasary rehetra, ny mananasy. Tsy hadino ny vokatra azo avy amin’ny ronono, toy ny fromazy, ny dibera…
Rano mafana no tokony hosotroina matetika. Mety in­drindra koa ny dite sakama­laho asiana tantely sy voasary makirana kely.
Tokony hotohizana hatrany ny fanaovana fanatanja­han­­tena na dia mangatsiaka aza ny andro. Fomba iray aha­fa­hana mampiakatra ny hery fiarovana koa ny fampiasam-batana. Tsy tokony hanao reraka be anefa fa na dia an-tongotra ihany aza mandritra ny 30 mn isan’andro dia ampy.
Tena zava-dehibe ny faham­­piana torimaso izay miantoka ny ampahany betsaka amin’ny fahasalamana. Matory mandritra ny adin’ny 8 raha kely indrindra.
Miaro vatana hatrany amin’ ny hatsiaka. Ilaina hatrany ny mivatsy akanjo mafana satria mivadibadika ny andro.
Ankoatra ireo, hajaina ha­trany ny fepetra sakana rehetra. Manasa tanana matetika amin’ny savony, manao aro­vava orona raha misy soritraretina, tampenana amin’ny kihon-tanana ny orona sy ny vava rehefa mievona…

Tatiana A

Partager sur: