Tongasoa any Sagam Inde i Mialy, mpitondra feo mahakasika ny fikirakirana ny teknolojia am-pahendrena (Surf Smart). Izy no solontenan’ireo mpitondra feo eo amin’ ny Mpanazava mandritra ny fihaonana karakarain’ny AMGE. Sehatra hifampizaran’ny skoto zazavavy ny zava-misy sady hanovozana zava-baovao.
134 mianadahy ireo andiana tanora mpianatra nahavita fianarana tao amin’ny sampam-pianarana ISST, ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa. Andiany voalohany izy ireo, nitondra ny anarana Santatra. Avy amin’ny lalam-piofanana momba ny rano, ny fambolena ary ny indostria manodina sakafo ireo navoaka tamin’ny fomba ofisialy.
Hita miparitaka amidy eny an-tsena rehetra,
eto Antananarivo, ny fanafody sady fanampin-tsakafo Plumpy nut. Natokana hitsaboana ny ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo sy omena eny amin’ny tobim-pahasalamana na ny Crenam. Efa misy ny lalàna mandrara ny fivarotana azy ireny ho an’ny daholobe ary betsaka ny fanentanana hampahafantarana ny voka-dratsin’ny fihinanana azy ho an’ny olona salama.
Mpianatra 408 ao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga no misitraka vatsim-pianarana andiany faharoa tokony ho noraisina teo aloha. Noho ny fandaminana ny taratasy no nahatonga azy ireo tara fandraisana ny vatsim-pianarana telo volana miampy fampitaovana. Ho avy tsy ho ela ny andiany fahatelo, araka ny fandaminan’ny tomponandraikitra.