Lehilahy 31 taona anisan’ny kartie mobile indray no lasan’ny dahalo tao amin’ny distrikan’Anjozorobe, omaly. Mitaky vola an-tapitrisany ireo mpaka an-keriny.
Mitaky vola valo tapitrisa Ar amin’ny fianakavian’ny lasibatra ireo olon-dratsy naka an-keriny lehilahy iray 31 taona tao amin’ny tanànan’Ankidondona, fokontany Andranonkotona, distrikan’ Anjozorobe, afakomaly. Nitondra olona teny anivon’ny biraon’ ny zandarimaria io noho ny fisian’ny olana tamin’ny resaka hazo io lehilahy io. Natao famotorana izy nandritra izany fotoana izany. Nampodian’ny mpitandro filaminana kosa izy ny tolakandro. Tonga tany amin’ny trano fonenany, naharay antso tsy ankijanona izy mba hiverenany mihazo an’ Anjozorobe. Tsy niandry ela, nanainga nihazo an’io toerana voatondro io avy hatrany ilay raim-pianakaviana izay anisan’ ny andrimasom-pokonolona ao an-tanànany. Tsy hitan’ny fianakaviany intsony izy nanomboka tamin’io fotoana io sady tsy tafaverina tao amin’ ny trano fonenany.
Mitaky vola an-tapitrisany
Niseholany ny hafatra miafina avy amin’ny olon-dratsy ho an’ny fianakavian’ny lasibatra ny harivan’io alarobia 17 jolay io. Mitaky lelavola 8 tapitrisa Ar ho takalon’ny ain’ ilay raim-pianakaviana andrimasom-pokonolona nalaina an-keriny ireo naka takalonaina. Nampitandrina ny havan’io lehilahy io ireo dahalo fa hotaperiny ny ain’io olona io raha toa ka tsy manome ny vola takina aminy ny fianakaviany. Tsy mety foana ny fakana an-keriny ao amin’ io distrika io izay miseho matetika. Efa namoizana ain’ olona mihitsy izany na teo aza ny fidinana ifotony nataon’ny manam-pahefana hamongorana ireo mpaka an-keriny. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.