Lemak’Antananarivo : nisokatra ny fampidiran-drano

Vita tamin’ity herinandro ity ny fampahafantarana ny fisokafan’ny fampidiran-drano eto amin’ny lemak’Antananarivo, ho an’ny taom-pambolena 2024, notanterahina tetsy amin’ny canal GR Ilanivato. Laharam-pahamehana amin’ny fitondrana sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany ary ny Apipa ny fikojakojana ireo lakandrano vaventy rehetra mamakivaky an’Antananarivo sy ny manodidina, ahafahana mampikoriana tsara ny rano sy tsy hiakarany any anaty tanàna na ireo faritra iva, hoy ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Apipa, Ramanantsoa Andriamahafaly Rado. Nanala ireo tsikafona sy ireo fako efa milentika anaty rano ny mpiasa ary hitohy mandritra ny iray volana ny asa amin’ny alalan’ireo fitaovana raitra sy vaventy ananan’ny Apipa. Mirefy 14 km ny lakandrano GR ma­nomboka any amin’ny faritra Tanjombato ka hatrany Soa­vima­soandro. Roa volana talohan’izao, efa nanadio ny lakandranon’ Andriantany ny Apipa, ao anatin’ilay opération Fantsika.
Nanamafy ny tale jeneralin’ny Apipa fa mbola mitoetra ary mihatra hatrany ny didim-panjakana manakana ny fanotofana tany ary tsy mbola misy taratasy fahazoan-dalana avoakan’ny Apipa na avy amin’ny fanjakana. Tsiahivina fa tao anatin’ity roa volana farany ity, 10 mahery ireo fiara mpitatitra tany nogia­zana eny amin’ny famonjana fiara ary efatra no tratra tamin’ny herinandro lasa teo.

Vonjy A

Partager sur: