Minisitry ny Fitsarana : “Efa nihena ny tahan’ny trangana fanolanana”

Nanao tatitra momba ny trangana fanolanana ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, omaly, tetsy Analakely. Nateriny fa nitombina ny fanapahan-kevitry ny fanjakana hisorohana izany.

«Raha tamin’ny volana janoary, 116 ny tahan’ny trangana fanolanana manerana an’i Madagasikara. Tamin’ny volana jona, nidina ho 54 izany». Io ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanant­enasoa Landy Mbolatiana, tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny tokotaniben’ny La­pan’ny Tanàna, Analakely, omaly, taorian’ny fanombohana ny varavarana misokatra “Fitsarana manakaiky vahoaka”, iarahana amin’ny Projet d’appui à la justice à Mada­gascar (Pajma) ary vatsian’ny Agence française de développement (AFD) vola. Noho izany, tsy diso tamin’ny politika noraisiny ny filohan’ny Repoblika hoe: mila hovaina mba ho mafy kokoa ny lalàna. Efa nisy ny lalàna fa nohavaozina sy nohamafisina. Mba hahatongavana amin’ny tanjona hoe fisorohana ary hahatonga ny olona hihevitra ny lalàna izany.

Manatsara ny ady amin’ny kolikoly

Tsy diso fanapahan-kevitra ny fitondram-panjakana, ary tonga amin’ny tanjona neritreretina: tsy natao ho fanasaziana izay, fa fisorohana na hanakanana ny olona tsy hanao koa. Tena misy vokatra miabo, na teo aza ny fanakianana maro. Araka ny tenin’ny filohan’ny Repoblika hoe: ny tsy azo androany, ho azo rahampitso. Inoana fa resy lahatra tanteraka amin’ izay ny rehetra.

Manatsara ny ady amin’ny kolikoly kosa ny Varavarana misokatra. Satria mila fantatry ny olona tsirairay avy ny zony sy ny andraikiny ary ny fomba fametrahana raharaha eny anivon’ny fitsarana. Ady amin’ny mpijirika izany mba tsy ho diso lalana izay olona manan-draharaha eny amin’ny fitsarana. Efa misy ny boky kely torolalana, dia izay no arahina.

R. Nd.

Partager sur: