Saika isan-taona, misy fitaovana na ampahana fitaovana misolo eo amin’ny tarika mpihira gasy. « Anisan’ny zava-dehibe ho an’ny mpihiragasy ny hatsaran’ny fitaovana ampiasainy eny an-kianja, hany ka milofo fatratra amin’izany ry zareo », hoy i Dadafara Ramilison (Dadafara LT Prod.). Raha ny fanazavany, fanomezan-danja sy hasina ny kanto ataony (hiragasy) sy ny mpijery no anisan’ny anton’io. Tsy azo hadinoina ihany koa fa anisan’ny mahasarika sy hitsaran’ny mpijery ny tarika iray ny fananana fitaovana miova fa tsy ilay hita tamin’ ny taon-dasa ihany. Akanjo, zavamaneno (klarinety, saksôfôna, amponga…), hanaovan’ny mpihiragasy ezaka isan-taona ny hanatsarana azy.
Fantatra fa nanampy indrindra ny mpanakanto malagasy ny fidiran’ny zavamaneno tsofina vitan-dry zareo Sinoa eto Madagasikara. « Na tsy mitovy kalitao amin’ny vita eoropeanina aza ny an-dry zareo, azo ampiasaina tsara ihany ireny vita Sinoa ireny. Ny fikojakojana no mila atao matetika mba hampateza azy », hoy ny mpahay momba ny zavamaneno tsofina.
HaRy Razafindrakoto