TARATRY ny KANTO

Nodimandry i Hernan Rivelo… Io ny solon’ anarana nentiny teo amin’ny tontolon’ny fanaovan-gazety, nikirakirany ny vaovaon’ny kolontsaina nandritra ny taona maro. Efa nandalo tao amin’ny gazety Express de Madagascar, ny Hebdo ary ny Madagascar Matin izy. Efa nanoratra tononkira ho an’ny mozika rock ihany koa, raha ny nambaran’ireo namany.

Piment Café – Luk sy Arison Vonjy. Efa fotoana elaela ry zalahy ireto no nanomana ny fiarahana. Anio amin’ny 8 ora sy sasany ilay fotoana, hizaran’i Luk sy arison Vonjy an-tsehatra ny kantony. Haharitra kokoa raha ny hira nomanina, satria tsy matetika ny fiarahana ho azy mirahalahy.

“Revy gitara” eny amin’ny So Hot Andraharo. Hanomboka amin’ny 6 ora sy sasany ny fiarahana amin-dry Fanilo Poppin’s, Antsaly ary Douglas. Mala­laka be ny fandaharan-kira hataon’izy telo mirahalahy, na dia manodidina an’izay vazo an-gitara izay ihany aza. Afaka mandray anjara ihany koa ireo mpankafy mandritra izany.

“Ilay raiko izay tsy ananako”. Seho an-tsehatra entin’ny Fikambanana Iza izy ity, rahampitso sabotsy 20 jolay ao amin’ny CGM Analakely, manomboka amin’ny 3 ora sy 15 minitra. I Voary Velonjara no nanoratra sy nandrindra ny tantara, ka ireo mpikambana ihany no hamelona izany.

Partager sur: