Mitohy ny asa fanoloana ireo taribin-jiro may mitatitra ny herinaratra mampitohy ny tobim- pamokarana sy ny foibe fitsinjarana ao Toamasina, omaly. Anisan’ny tena sarotra ny nanesorana ny tariby any ambanin’ny tany hafa izay may ihany koa. Tsy maintsy tapahina ny herinaratra eo am-panatanterahana izany, mba hiarovana ny ain’ny mpiasa.
Manara-maso ny fizotry ny asa, any Toamasina, ny tale jeneralin’ny Jirama, Ron Weiss. Tanjona ny hamerenana amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra, omaly, mialoha ny amin’ny 6 ora hariva. Anio no hiverina hisitraka ny mpanjifa sasany, toy ny mpanjifa vaventy. Vinavinaina ho vita anio
hariva ny asa famerenana amin’ny laoniny manontolo.
Raha tsiahivina, nirehitra ny alarobia 17 jolay teo ny taribin-jiro (cour circuit) any ambanin’ny tany ka nahakasika ny tariby mitatitra herinaratra mampitohy ny tobim-pamokarana sy ny foibe fitsinjarana izany. Vokany, tapaka tanteraka ny famatsiana herinaratra any an-tampon-tanànan’i Toamasina.
Njaka A.