Karohina ny tompon’antoka tamin’ny famoizan’aina tovovavy iray hita faty teny amoron’arabe teny Nanisana, afakomaly. Vehivavy 22 taona hita faty nihosin-dra, ahina ho nodomin’ny fiara naterin’ny BMH teny anivon’ny tranom-patin’ny HJRA. Simba vokatry ny dona mafy nahazo azy io tovovavy vao erotrerony io. Andalam-pikarohana ny nahavanon-doza ny mpitandro filaminana.
Nitrangana hain-trano teny amin’ny faritry ny 67ha, ny talata 16 jolay teo, tamin’ny 3 ora sy 45 minitra tolakandro. Ara-potoana ny fahatongavan’ny mpamonjy voina ka nalaky voafehy ny afo. Kila tamin’io fotoana io ny efitra fatoriana iray. Tsy nisy aina nafoy.
Polisy iray voadonan’ny fiara teny Ivato, afakomaly. Naharenesana alikaola ny mpamily io fiarabe nitera-doza io. Tsy nahiana ny ain’ilay mpitandro filaminana izay efa manaraka fitsaboana amin’izao fotoana.