Tsy fisian’ny orinasa : Sakana ho an’ny fampandrosoana ao Toliara

Mibahan-toerana ny tsy fisian’ny asa any Atsimo An­drefana. Anisan’ny manana izany fijery izany i Bokassa, fi­lohan’ny fikambanana Zatovo tsy an’asa any Toliara. « Tsy azoko mihitsy ny zava-misy, mitady fanampiana ara-bola etsy sy eroa ny fanjakana, nefa samy manana ny otrikarenany daholo ny rafitra tsirairay, ary anisan’izany ny tapany atsimon’ny Nosy », hoy izy. Aminy, tsy mba misitraka ny zo te handroso ny any Toliara, raha tarafina amin’izao fanakanana ny tetikasa, toy ny Base Toliara, izao. Vao mainka hiharatsy izany raha tsy teo ny asa fitarihana posy bisikileta sy ny fibatana entana, hany fidiram-bolan’ny tanora azony atao. Nefa tsy mendrika sady tsy mahavelona, indrindra ho an’ireo olona mifindra monina tonga any Toliara mba hitady asa.
Miantso ny fanjakana handray fanapahan-kevitra haingana, mba tsy vao mainka hi­ha­ratsy ny toe-draharaha i Bokassa. « Fotoana tokony hanokafana indray ny Base Toliara izao. An-taona maro ny fotoana niandrasanay sy niomananay an’izany. Efa maro ny tanora nahazo fiofanana, sady tsy vitsy koa ny manam-pahaizana sy ny olona ma­nana diplaoma aty Toliara », hoy ihany ny fitarainany.
Mikambana ao anaty vo­vonana maro manohana ny fi­trandrahana ny harena am­banin’ny tany i Bokassa. Ma­nampy izany, nambarany fa tsy mbola naheno feo milaza fa nahafaty olona ity sehatra ity izy, raha jerena ny any Toa­­masina sy Taolagnaro.

Njaka A.

Partager sur: