VAOVAO TAMBATRA

Miisa 10 000 ny zana-trondro nozaraina tamin’ ny mpiompy trondro tilapia any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, ny 16 jolay teo. Mpiompy miisa 23 ny mpisitraka avy any amin’ny distrikan’i Vangaindrano, Farafan­gana ary Vondrozo. Nano­lotra izany ny ao amin’ny minisiteran’ny Jono,
entina hampiroboroboana ity seha-pihariana ity.

Hahodina ho angovo madio « biomé­thane » ny fako eny Andralanitra tanterahin’ny orinasa Apis Solution. Hanomboka hamoaka vokatra ny orinasa amin’ny jolay 2025. Nampa­ha­fantarina, omaly, ny teti­kasa hanomezan-danja ny fako, iarahan’ny kaominina CUA, ny SMA ary ny minisitera voakasika samihafa.

Firenena fahenina amin’ireo 20 ratsy
lalana aty Afrika i Madagasikara. Potika sy mampikaikaika ny mponina ny fahasimban’ny lalam-pirenena sy ny an-tanàn-dehibe. Miantraika mivantana eo amin’ny sehatry ny toekarena ny lalana noho izy miantoka ny fitateram-bokatra sy ny harinkaren’ny faritra.

Mahatoto kakao 1 taonina isan’ora ilay milina mpanodim-bokatra ao Sambava. Hiteraka asa sy hanatsara ny fari-piainan’ny tantsaha ny
ozinina ao an-toerana. Mahatratra 15 000 taonina isan-taona ny vokatra kakao ao Sambava, raha manodidina ny 90 kosa ireo kaoperativa mpamo­katra mitsangana ara-dalàna.

Partager sur: