Nidoboka am-ponja vonjimaika, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny lehilahy iray sy vehivavy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana renim-pianakaviana iray tao amin’ny Village touristique Mahajanga. Mpiasan’ity renim-pianakaviana 69 taona niharam-boina ity ihany izy roa ireto. Mipetra-drery ao amin’ny fokontany Mahavoky Atsimo izy no nidiran’ireo mpiasany an-keriny tao an-tranony ka novonoiny, ny 25 avrily 2024 lasa teo. Miisa 15 ireo olona efa nohadihadiana tamin’ity raharaha vonoan’olona feno habibiana ity. Nitohy hatrany ny fikarohana lalina nataon’ny polisy. Telo volana aty aoriana, nahitam-bokany izany tamin’ny alalan’ny fahatrarana ireo olona ahina ho tompon’antoka tamin’ izany. Voaporofo tao anatin’ny fanadihadiana fa nandray anjara mivantana sady misy hifandraisany tamin’ny fahafatesan’ilay ramatoa izy ireo. Hita faty tao an-tranony novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity ramatoa 69 taona ity. Tsindrona antsy telo no hita tamin’ny vatany nandritra ny fizahana nataon’ny mpitsabo azy, ny sabotsy 27 avrily 2024. Nilaza ny mpanampiny fa tsy nahita azy intsony. Nanamafy izany koa ny mpanofa trano mifanila vodirindrina aminy. Nihidy avy any ivelany ny tranony ka voatery nopitsohina rehefa tonga ny fianakaviany avy aty an-drenivohitra. Hatairana ny an’ireo havany raha nahita ny nofo mangatsiakany efa nihosin-dra tao amin’ny trano fidiovana.
J.C