Ampitifirana Ankatso : fahatsiarovana azy dimy lahy notifirina

Ny lietnà Randriamaro­manana Albert, Rakotondrabe Samuel, Ratsizafy Samuel, i Lezoma ary i Bekamisy. Ireo izy dimy mirahalahy tia tanindrazana notifirin’ny mpanjanatany frantsay teny Ampitifirana Ankatso, ny 19 jolay 1948, noho ny raharaha 29 marsa 1947. 76 taona lasa izay. Nisy ny hetsi-pahatsiarovana tamin’ ny lanonana ara-miaramila sy fametrahana fehezam-boninkazo teny an-toerana, omaly. Nitarika izany ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin. “Mendrika hajaina ny ra malagasy latsaka teto noho ny fanaovana ho ambony ny tombontsoa iombonan’ny taranaka aty aoriana”, hoy izy. Adidy mampita ny tantara amin’ireo taranaka. Tsy ny mampita fanilo ihany anefa, fa ny manohy ny fitiavan-tanindrazana fakan-tahaka nasehon’ireo maherifo ireo amin’ny asa sahanina sy ny fampandrosoana hampiakatra hatrany ny hasin’ny fitiavan-tanindrazana sy ny fiandrianam-pirenena. Noho izany, nentaniny ny rehetra ho sahy hijoro haneho ny hambompom-pirenena, hampisandratra sy hampamiratra hatrany an’i Madagasi­kara.
“Ndeha hiombona ao anatin’ny firahalahiana tanteraka hampibaribary fa tanjona tokana no iraisana dia ny hananan’ny firenentsika fahafahana izay niadian’ireo razantsika teo aloha”, hoy ihany izy. Na­hafoy ny ainy ireo maherifo ireo noho ny fitiavan-tanindrazana. Izay koa ny mandrisika ny Tafika Malagasy hanitsy ny rafitra misy ao aminy. Mba ha­nakaiky kokoa ny vahoaka amin’ny fiarovana azy ireo sy ny fananany izany, amin’ny famonjena sy fanampiana, ary amin’ny fifampiresahana sy fifanakalozan-kevitra hikatsahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana.

R. Nd.

Partager sur: