“Fangaro 2024”: seho vaovao no hasehon’ireo mpianatry ny “Théâtre Kala”

Anisan’ny nahafantarana ny Théâtre Kala ny “Fangaro”. Hetsika fanaon’ny sekoly isan-taona izy ity ho fanehoana ny famoronana nataon’ny mpianatra isan-tsokajiny.

Tanterahina anio, eny amin’ny Havoria Anosy, ny “Fangaro 2024”, iarahana amin’ny Théatre Kala. Fampisehoana dihy sy filatroana ny asa famoronan’ ny mpianatra dihy eo anivon’ ny Théatre Kala no ho hita mandritra ny hetsika. Anko­a­tra ny fanomezana sehatra ny asa famoronan’ireo mpianatra, tanjona ny fanandratana ny famoronana maro sy ny fitaizana ny ankizy sy tanora amin’ny alalan’ny zavakanto.
Ho ambohipihaonan’ny fianakaviamben’ny mpankafy dihy milamina indray ny eny an-toerana, araka izany, anio tolakandro. Ny mpianatra avy eo anivon’ny Théatre Kala no haneho ny asam-pamoronany. Hifandimby haneho izany ireo sokajin-taona misy eo anivon’ity sekoly fampianarana dihy sy teatra ity. Amin’ny ankapobeny, fihetsika aseho amin’ny alalan’ny mozika sy gadona samihafa no atao mandritra izany. Efa vonona tanteraka ny mpikarakara sy ny mpandray anjara hanolotra seho tena miavaka sy matihanina. Ankoatra ny toerana, izay avo lenta sy manara-penitra tanteraka mantsy dia seho vaovao sy tena miavaka no hatolotry ny Théatre Kala. Tsiahivina fa dihy tsy naseho an-tsehatra mihitsy no hatolotr’izy ireo mandritra ity “Fangaro 2024” ity. Sekoly mampianatra sy manofana ankizy sy tanora ho matihanina eo amin’ny dihy ny Théatre Kala. Efa 14 taona izay no nisiany ary mampiavaka azy ny fanofanana ny mpianatra ao aminy hahay hamorona.

Lin

Partager sur: