Fanondranana antsokosoko: Sokatra 5 383 tratra tao anatin’ny fito volana

Miseholany ny tranga fihazana sy fanondranana biby arovana. Sokatra maherin’ny 5 000 no sarona nanomboka ny volana janoary teo.

Mitotaly 5 383 ny isan’ny sokatra sarona na­nom­boka ny volana janoary teo hatramin’ity volana jolay 2024 ity, araka ny antontanisa navoakan’ny Turtle Survival Alliance na TSA Madagasikara, izay fikambanana tsy miankina misahana ny fiarovana ny sokatra. Misongadina hatrany ny fisian’ny tsimatimanota mihaza sy mikiry manondrana ireo karazam-biby ahina ho lany tamingana afaka taona vitsy ireo. “Afaka folo taona eo ho eo dia ho fongana tanteraka ny sokatra raha toa ka tsy misy ny fandraisana andraikitra sy ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay eny ifotony”, hoy ny eo anivon’ny TSA. Lohalaharana amin’ny fihazan’ny olona io karazam-biby io ny fihinanana azy. Mirongatra rahateo ny tranga fanondranana azy. Anisan’izany ny nahatrarana ireo karazam-biby anjatony tany Thaïlande sy tao amin’ny nosy rahavavy, volana vitsy lasa izay.
17 000 isa ny taona 2018
Nananika ny 17 000 ny isan’ny sokatra saron’ny TSA sy ny eo anivon’ny minisiteran’ ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, ny taona 2018. Niara-nientana ny tomponandraikitra hatramin’ny mpitandro filaminana nanao ny ezaka rehetra hamongorana ireo tsimatimanota minia mihaza sy manondrana io ka­razam-biby io. Raha tsiahivina, olona efatra naiditra am-ponja ny 22 jona teo, noho ny fanondranana sokatra antsokosoko avy any Atsimo nihazo ny Reni­vohitra. Nahatrarana sokatra 37 izy ireo ka ilay karazan-tsokatra “radiata” izay anisan’ny be mpitady indrindra eo ani­von’ny tsena maizina ny 36 tamin’ireo. Herinandro vitsy ta­lohan’io, sokatra 400, saron’ ny mpitandro filaminana tao amin’ny Nosy Kaomoro. Olo­na telo naiditra am-ponja izay nikasa hitondra ireo sokatra ireo hihazo an’i Tanzanie.

Tsiferana R.

Partager sur: