FANTINA sy FINTINA

Nisantatra ny fametrahana samboady ho an’ny depiote ny distrikan’Ifanadiana. Napetraka ny alakamisy teo izany ho an’ny solombavambahoaka, i Manantena Haja Dinah. Nisaotra ny vahoaka koa ny tenany tamin’izany. Nanotrona tany an-toerana ny filoha lefitry ny Ante­ni­mierampirenena ho an’ny faritanin’i Fianarantsoa sy ny loholona avy any an-toerana.

Nohitsin’ny depiote Ratsiraka Roland tamin’ny fanehoan-keviny, afakomaly, fa tsy laharam-pahamehana ny Miami sy ny jiron’akohonana manoloana ny fahatapahan-jiro sy rano ao Toamasina. “Maika ny fanoloana ireo tariby elektrika sy ny famatsiana rano sady efa tokony ho namboarina efa ela izany”, hoy izy.

Tokony any amin’ny distrika nahalany azy ihany no manao tatitra ny depiote mba hisorohana ny fihoaram-pefy, araka ny nambaran’ny solombavambahoaka, Andriamananoro Augustin. “Misalovana ny andrikitry ny depiote sasany raha manao tatitra any amin’ny toerana tsy nahalany azy izy ireny. Efa hita ny hetsiky ny depiote 73 sy ny Mihava Tour”, hoy izy.

Nanao fianianana tetsy amin’ny fitsarana tampony Anosy, omaly, ireo mpianatra 17 mianadahy ho Admi­nistrateur civil, avy eo anivon’ny Enam. Misalotra ny anarana Mahomby izy ireo. Niatrika izany ny filohan’ny Ante­ni­mierampirenena, i Tokely Justin, sy ireo tomponandraikitra ambony isan’ambaratonga.

Partager sur: