«Festival deux roues» : hamory mpitondra moto miisa 30 000

Hatao ny 3 sy 4 aogositra ho avy izao, eny amin’ ny CCI Ivato, ny hetsika goavana «Festival deux roues», andiany voalohany. Mpiara-miombon’antoka manohana azy ny orinasa Airtel Madagasikara. Tanjona ny hamoriana mpikirakira moto maherin’ny 30 000 amin’ io fotoana io, ahitana mpitondra, klioba, federasiona, fikambanana, sns.

Lohahevitra noraisina ny hoe: «Fiarovana amin’ny fifamoivoizana sy fandraisana andraikitra». Natao ny hetsika hanentanana ny daholobe ny maha zava-dehibe ny fiarovana amin’ny fifamoivoizana, ka mila fanovana toe-tsaina sy kolontsaina mandray andraikitra ho an’ireo mpikirakira ny kodiarandroa. Nilaza ny talen’ ny fampiroboroboana ny tse­na, ao amin’ny Airtel Mada­ga­si­kara, Raharilalao Julie, omaly, fa «inoanay fa hitondra fiovana, hampihenana ny lozam-pifamoivoizana sy ny fampiroboroboana ny fomba fitondra moto mandray andraikitra ity hetsika ity, eo amin’ny mpitondra moto tsirairay, ny klioba ary ny fikambanana. Afaka manangana fiarahamonina miray hina isika rehefa mampivondrona ny hery ny tsirairay».
Anisan’ny hifantohan’ireo mpitondra kodiarandroa ny hanohanana ny ankizy voafonja. Hatokana ho azy ireo ny ampahany amin’ny tombom-barotra azo amin’ity hetsika ity. «Mitovy sy manan-jo toy ny rehetra ny ankizy, tsy anavahana volon-koditra, fiteny, fiaviana, finoana, sns», hoy ihany Raharilalao Julie.

Njaka A.

Partager sur: