Hasin’ny teny malagasy : hotsiahivina ny « Ny hevi-dravina »

Nampahafantarin’ny Fede­ra­siona malagasin’ny Taek­wondo (FMTKD), izay tarihin-dRakotomanana Franck Tiana, omaly, fa tsy misy idiran’izy ireo ny raharaha misy eny amin’ny tribonaly amin’izao fotoana izao. Nomarihin-dry zareo ihany fa ny resaka ara-bola tsy voalohan’ny mpitantan’ny FMTKD teo aloha no nahatongavan’ireo mpitandro filaminana, nandritra ny lanonana fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha taloha sy ny vaovaon’ny FMTKD. He­tsika, izay notontosaina teny amin’ny Petit Palais Mahama­sina, ny 13 mey lasa teo. Tsia­hivina fa tsy nanatrika izany ny lehiben’ny Federa­siona teo aloha, Ramanantsoa Christian.
Hiezaka ihany ny filohan’ny FMTKD vaovao hampahafantatra ny zava-misy amin’ireo lehiben’ny Komity Olympi­ka malagasy (Com). Raha ny nambarany, mety hatao aori­an’ny lalao Olympika Paris 2024 izany. Tsara marihina fa tsy nahazo fanasana hanatrika ny fivoriana ara-potoana izay nataon’ny Com, ny sabotsy 16 jolay lasa teo, teny Ivandry, ny FMTKD noho io antony io.
Ankoatra izay, nifarana ny 13 jolay lasa teo, ny fiofanana sy ny fanadinana fampiakarana ambaratonga Kukkiwon, izay natao tany Fianarantsoa. Nahatratra 41 ireo mpikatroka Taekwondo tonga nanatrika izany.

Fitia Randria

Partager sur: