INDRAY MIJERY

Hiakatra hatrany ny maripana saika manerana ny Nosy, ankoatra ny maripana ambany indrindra izay tombanana hilatsaka noho ny fisian’ny zavon-tany amin’ny afovoantany sy ny ilany atsinanan’i Madagasikara, ny maraina.
Notanterahina tao amin’ny renivohitry ny faritra Atsimo Atsinanana ny fanombohana ny tetikasa “Drône” ho an’ny faritra telo : Atsimo Atsinanana, Iho­rombe ary Anôsy. Hahafahana mamatsy ara-panafody sy vaksiny ireo toerana tena anaty kizo na dia moto aza no handehanana ity fitaovana ity. Mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa ny PSI sy ny GAVI.
Hikatona ny faran’ny volana ny fisoratana anarana ho an’ny fandraisana anjara amin’ny vondron-dresaka ho an’ireo olona efa niharan’ny herisetra (fanolanana, fanolanana ataon’olom-pady, herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy), ho an’ireo olona efa nampitsahatra vohoka na inona na inona antony. Mika­rakara ny hetsika ny Nifin’akanga,hanomezana toerana azo antoka ahafahana mizara ny tantara, maneho ny fihetseham-po.

Partager sur: