Lalana RN 6 : vita ny 50% ny Ambilobe-Antsiranana

Mamatsy vola ny fanarenana ny lalana Ambilobe-Antsi­ra­nana ny Vondrona eoropeanina ara-bola. Vita hatrany amin’ ny 50% ny asa ataon’ny orinasa Colas. Mitohy koa ny fanarenana ny ampahan-dalana Ambanja – Ambilobe, izay efa vita ny 1/3 amin’ny asa. Vita hatrany amin’ny 90% kosa ny fanamafisana ny fivilian-dalana PK 568, any amin’ny tetezan’i Mahava­vy, simban’ny ri­vo­doza farany teo, mampifandray an’Amban­ja sy Antsi­ra­nana.
Ankoatra izany, nanara-maso ny tetikasa vatsiany vola amin’ny lalam-pirenena fahefatra (RN 4), ny Banky iraisam–pirenena niaraka tamin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), tamin’ity herinandro ity. Izany dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa asa vonjy taitra hiatrehina ny vokatry ny loza voajanahary (CERC 1). Manom­boka any Mahajanga hatrany amin’ny tetezan’Ampasimbe (PK 387). Raha ny tatitra nomen’ny minisiteran’ny Asa vaventy, afapo amin’ny ankapobeny ny Banky iraisam-pirenena. Nanome toromarika kosa anefa izy ireo ny hanafainganana ny fanombohana ny asa andiany faharoa.

Njaka A.

Partager sur: