Lanja miakatra

 

Anisan’ny andry amin’ny fampandrosoana amin’izao fe-potoam-piasana izao ny fampiroboroboana ny maha olona. Na ny sosialim-bahoaka… Mby aiza? Marolafy ny fahasahiranam-bahoka, toy ny tsy fandriampahalemana, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fisian’asa… Tsy inona fa fahantrana lalina sy maharitra ary saika mahahenika ny sarambabe. Vaindohan-draharaha ny ady amin’ny fahantrana amin’izany? Eo ny tsirairay mahita sy mitsara izay iainany: efa misy fihatsarana ve, ohatra, ny fari-piainana andavanandro? Tsy laviny, tena misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana isan-tsehatra sy isan’ambaratonga ny amin’izany. Saingy tsy mbola mahasehaka ny rehetra? Na tsy tafapaka any ifotony, tsy maharitra…
Na izany aza, tsy maintsy atrehina ny ady. Mby amin’ny fitenin’ny sasany hoe tsy misy fiainana mihamora? Amin’izany, rehefa mihamafy na mihasarotra ny fiainana: matetika, ny fihafiana no ampitomboina manaraka an’izay, fa tsy ny asa na ny fampidiram-bola hanamaivanana kokoa ny fahasahiranana. Vokany, mihamafy hatrany izay atrehina fa tsy mihamaivana rahoviana. Izay no mahatonga ny sasany alaim-panahy amin’ny hoe tamin’ny Repoblika I, ohatra, mora kokoa ny fiainana mitaha amin’ny Repoblika II, ny tamin’ny Repoblika II tsara kokoa no ho ny Repoblika III, ary tamin’ny Repoblika III zaka kokoa miolotra amin’izao… Aiza ny hoe lanja miakatra ny fiainana? Hatramin’ny fisainana… Jerena amin’ny vidin-javatra sy ny karama raisina, hono, izany.
Sanatria, ho mora sy tsara ary zaka kokoa ve ny fiainana amin’izao tarafina na tahafina amin’izay mbola ho avy? Lanja miakatra ny fiainana. Manaraka izany izay heverina, ny ezaka, izay atao… Rehefa tsy mahafehy azy ny tena dia fehezina? Na manara-davahana…

R. Nd.

Partager sur: