Loholona Rabetsaroana Sylvain: “Mametraka ho ambony ny fahaiza-manao ny filoha”

Niresaka tamin’ny mpanao gazety momba ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny ny loholona Rabetsaroana Sylvain, omaly. Nambarany tamin’izany fa iray ihany ao anatin’ny fahasamihafana ny Malagasy.

“Noporofoin’ny filoham-pirenena fa iray ihany isika ma­noloana ny resabe momba ny fifandanjana isam-paritra”, hoy izy. Nanteriny fa tsy ma­navaka ary tsy mifidy na iza na iza ny filohan’ny Repoblika. Mametraka ny fepetra amin’ny fahaiza-manao sy ny traikefa izy ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, araka ny nambarany. Notsiahivin’ity filohan’ny vondrom-pifankatiavana eo anivon’ny Antenimi­erandoholona ity koa fa ankatoaviny hatrany ary hajainy mandrakariva ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena tamin’ireo fandrindrana sy fandaminana rehetra ataony eo amin’ny fitantanana ny firenena. “Tena vaindohan-draharahan’ny filoha Rajoelina Andry ny fampandrosoana an’i Ma­dagasikara”, hoy ihany izy. Notsindriny amin’izany ny fa­nanana ny maro anisa eny anivon’ny Antenimierampire­nena amin’ny alalalan’ny vondrona parlemantera, Irmar. Fomba fanao ara-politika ny fampitomboana ny mpanara-dia mba hahafahana manatratra izany fampandrosoana izany, araka ny nambarany hatrany.

Mitovy tanjona sy vina amin’ny filoha…
Tsy vitan’izany fa marobe koa ireo solombavambahoaka hafa efa nanatona sy naneho ny fahavononany hifanohana sy hiara-miasa amin’ny fitondrana, araka ny fampahatsiahivany.
Nitondra ny heviny koa ny loholona Rabetsaroana Sylvain manoloana ny fanendrena ny praiminisitra sy ireo mety ho mpikambana eo anivon’ny governemanta. “Ma­zava ho azy fa ireo olona mitovy tanjona sy vina aminy no hametrahan’ny filohan’ny Repoblika fitokisana mba ha­natrarana ny fampandrosoana ny firenena”, hoy izy. Nam­barany fa manana safidy malalaka ho amin’izany ny filoham-pirenena ary mankatoa izany avokoa ireo mpiara-miasa aminy.

Synèse R.

Partager sur: